He! Vita re ny ady izao!
Haleloia ! haleloia ! Haleloia !
He ! vita re ny ady izao !
Ny ota efa resy re,
Ny feo mifaly no atao,
Haleloia !
Fahafatesana no tao
Fa Kristy naharesy izao,
Ny fandreseny no derao,
Haleloia !
Ny andro nijaliana e !
Nisolo fifaliam-be,
Ka mihirà izay mandre :
Haleloia !
Ny gadra voatapany,
Ny efitra efa ravany ;
Ka miderà ny heriny
Haleloia !
Ry Tompo ô ! ny fiainanao,
Mamelona ny olonao,
Ka hoderaina Hianao :
Haleloia !