O! miasa, sakaiza

 


1. O! miasà, sakaiza,
Jeso no herinao;
Na misy mafy aza,
Izy tsy handao.
Dia matokia tokoa,
Fa Jeso momba anao.
Ka hisy voka-tsoa
Hifalianao.


2. Maro ny andro lasa
lzay tsy nanaovanao,
Ka mbola be ny asa
lzay tsy vitanao,
Koa dia mitsangàna
Hanao tokoa izao,
Hahavitanao tsara
Ny anjaranao.


3. lndro, fa mihariva,
Fohy ny andronao;
Moa tsy mba fantatrao va
Ka tsy hitanao?
Eny, fa manakaiky
Jeso Mpitsara re,
Ary efa ‘mby akaiky
Ny hodianao.


4. Rehefa tonga Jeso,
Tompon’ny asanao,
Ary hamaly soa
Ny mpiasany.
Mandrakizay doria
No hifalianao,
Raha mpanompo tsara
Mahatoky e!

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *